
Lasa lavitra ny raharaha fanondranana andramena avy eto Madagasikara. Ny 19 janoary teo, niresaka an-telefaonina tamin’ny mpanao gazety aty Afrika ny sekreteram-panjakana amerikanina misahana ny atitany, Rtoa Sally Jewell. Nambarany tamin’io fotoana io fa misy andramena avy eto Madagasikara tonga any Etazonia. Notanan’ny fanjakana amerikanina ireo hazo sarobidy ireo ary handray fepetra henjana momba izany i Etazonia momba ireo harena sarobidy rehetra avy aty Madagasikara sy Afrika. Tsy nambarany mazava kosa firy ireo andramena nogiazana ireo, fa fantatra kosa tsy handefitra ry zareo Amerikanina. Nampahafantariny mazava ny fisian’ny lalàna iraisam-pirenena ho fiarovana ny harena sarobidy rehetra, ambonin’ny tany sy ambanin’ny tany, anaty ranomasina sy ireo biby arovana.
Mampitandrina an’i Afrika Rtoa Sally Jewell. Hanao fitsidihana aty Afrika izy, Gabon, Kenya ary Afrika Atsimo. Tsy anisany i Madagasikara, saingy nametrahany hafatra mialoha toy ny firenena afrikanina rehetra. Koa fepetra horaisina ho fiarovana ny zavaboary ihany, hisy fivoriana hatao ao Afrika Atsimo, tsy ho ela, hiantsoana ny tompon’andraikitra rehetra. Tsiahivina amin’ny rehetra ny amin’ny tokony ho fampiharana ny lalàna iraisam-pirenena. Hiara-manaiky izay handray anjara amin’izany sy izay mety ho fepetra hafa horaisina.
30.000 isan-taona ny elefanta maty
Ankoatra ny hazo sarobidy avy aty Madagasikara, nasiany teny manokana ny fanondranana biby ; famonoana elefanta noho ny fivarotana ny tandrok’ireo biby ireo (ivoire). 30.000 isan-taona ny elefanta maty, noho izany, famarotana tandroka izany. 2011 -2014, maherin’ny 100.000 ny elefanta novonoina aty Afrika. Toy izany koa ny fanenjehana ireo biby hafa, ohatra, ny rhinocéros, rajako, gidro …
Marihina fa miandraikitra ny fiarovana ny harena rehetra any aminy ny sekreteram-panjakana misahana ny atitany amerikanina, toy ny valan-javaboary, rano sy ala, tanim-panjakana, sns. Manam-pahaizana manokana momba ny tontolo iainana sy ny angovo, iankinan’ny ho avin’izao tontolo izao Rtoa Sally Jewell, matoa napetraky ny filoha Obama amin’io toerana io.
R.Mathieu