
Naiditra am-ponja afakomaly ireo dimy lahy voarohirohy ho mpangalatra sy mpividy kisoa halatra tratra teny Anosipatrana. Saron’ny polisy avy ao amin’ny poste de police Ilanivato eny Anosipatrana, ny alahady teo ireto jiolahy voarohirohy ireto. Araka ny fanazavan’ny polisy, maro ny fitarainana voarain’ny polisin’Ilanivato momba ny fahaverezana kisoa maromaro eny Anosipatrana tao amina mpamongady kisoa iray. Niezaka nanao ny fisafoana hatrany ny polisy mba hahafahana manatratra ireo jiolahy, saingy tsy mety tratra mihitsy ry zalahy. Nisy kisoa iray very tao amin’ity mpamongady ity tamin’io alahady maraina io. Tsikaritry ny tompony anefa fa ilay mpiambina ihany no namoaka io kisoa io. Nametraka fitoriana avy hatrany izy taorian’izay ary voamarina taorian’ny fanadihadiana nataon’ny polisy fa izy tokoa no tompon’antoka tamin’ny halatra kisoa tao an-tanàna. Izy araka izany no mamoaka ny kisoa hangalarina, ny telo lahy amin’ireo voarohirohy kosa mandroaka sy mamono ilay kisoa raha mivarotra izany eny an-tsenan’i Besarety kosa ny iray amin’izy ireo. Nilaza ry zalahy fa efa ela no nanaovana ity halatra kisoa ity, saingy izao kosa vao tratra.
Ahina ho kisoa sy omby halatra avokoa araka izany ny ankamaroan’ireny amidin’ny mpivarotra ireny? Efa mihavitsy rahateo ny hena amidy amin’izao.
Jean Claude