
Voizina be any amin’ny oniversite any ivelany ny fivoaran’ny teknolojia, indrindra ny lafiny teknika any amin’ny taona 2030 any. Ampirisihina, araka izany, ny tanora hirona kokoa amin’ny fahaizana mikirakira ny sehatra teknika. Anisan’izany isika eto Madagasikara.
Mivoatra be ny fanatontoloana. Mila tsy ho araka intsony ny fivoaran’izany isan’andro, mila ho isa-minitra mihitsy aza. Tsy ho mpamantam-bonona izany fivoarany izany fotsiny isika tanora fa ho anisan’ny mpandray anjara amin’ny fampivoarana io teknolojia io mihitsy. Izay no anisan’ny tanjon’ny tanora ho amin’ny taona 2030 raha ny voizina maneran-tany.
Eto Madagasikara manokana, mbola mirona kokoa amin’ny fitantanana ny tanora. Vitsy ireo liana amin’ny sehatra teknika sy ny famoronana. Toe-tsaina mbola mila ezaka anefa izany hifantoka amin’ny famoronana sy teknika izany.
Eto amintsika, efa hifampitadiavana be vao mahita teknisianina mahafehy ny fampihodinana milina iray mpamokatra ohatra. Voatery manafatra teknisianina vahiny, araka izany, ireo orinasa vaventy izay karamaina volabe.
Na izany asa, tsy ampy ny tolotra momba ny fampianarana teknika eto Madagasikara ka anisan’ny sakana ho an’ny tanora hiditra amin’izany sehatra izany. Tsy maintsy mandeha any ivelany raha vao miakatra lenta ambonimbony ny fiofanana sy ny fampianarana indrindra ny fampiharana.
Na izany aza, tsy tokony hiraviravy tanana ny tanora fa mila mikatsaka hatrany ka hamaly ny filan’ny firenena sy izao tontolo izao amin’ny taona 2030 dia ny ho tonga teknisianina manam-pahaizana.