Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70768

Talatamaty : nanadio ny tanàna ny mpianatra

$
0
0
fanadiovana

Nanokana fotoana hanadiovana ny tanàna teny Talatamaty ireo mpianatry ny ILC ny asabotsy teo teny Talatamaty. Nitondra modely ho an’ny mponina izy ireo mba ho fitaratra eo amin’ny fahadiovana.

Nitety toerana maromaro ny mpianatra izay notarihin’ny talen-tsekoly Ali Matur ary nitsimpona ireo fako atsipin’ny mpandalo eny amoron-dalana. Nahavarian ny mpitazana ny fihetsik’ireto mpianatra ireto ary nisy aza menatra ka tsy sahy nanary ny fakony teny rehetra teny. Nifarimbona tamin’ireto mpianatra ireto ny ray aman-dreny sy ny mpanabe niara-nitsimpona fako

Tanjona ny fanentanana ny mponina rehetra manodidina ny sekoly eto Talatamaty mba hanaja   ny fahadiovan’ny tanàna”, hoy ny fanazavan’ny talen-tsekoly.

Nitondra sora-baventy ireo mpianatra tamin’izany hanamafisana ny fanentanana ho amin’ny fahadiovana. Anisan’ny nivandravandra ny soratra hoe: Tanàna madio, mandroso sy milamina », « Ny fahadiovana no antoky ny fahasalamana« , « Arovy ny tontolo iainana« , « Aza manary fako amin’ny lalana« ….

Tatian A


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70768

Trending Articles