Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70666

Vokatry ny rotsak’orana : dibo-drano i Mampikony

$
0
0
Mampikony 20 jan

 Miseho sahady ny voka-dratsin’ny rotsak’orana nanomboka ny fiandohan’ny herinandro teo, nahatratra 58mm ny refin’ny orana nilatsaka tao Analalava, tao anatin’ny 24 ora. Dibo-drano koa i Mampikony satria fefika ny 60%-n’ny tanàna. Nidina any an-toerana ny BNGRC.    

Miakatra be ny rano ao amin’ny distrikan’i Mampikony, araka ny vaovao avy amin’ny solontenan’ny radiom-pirenena any an-toerana. Difotry ny rano ny 60%-n’ny tanàna manakaiky renirano vokatry ny rotsak’orana be. Saika ny 90%-n’ny mponina traboina avokoa araka ny fanazavana ihany. Nanambara ny tomponandraikitry ny BNGRC fa somary mafy ihany ny fiantraikan’ny fiakaran’ny rano fa efa nisy ekipa nidina omaly nijery ny zava-misy marina. Hanombana ny fahavoazana sy ny fanampiana ilain’ny vahoaka haingana ny tomponandraikitra. Ny alatsinainy teo, 58 mm ny refin’ny rotsak’orana tany amin’ny distrikan’Analalava, ary 144 mm mihitsy tany Sainte Marie.

Mbola hitohy hatramin’ny anio ny rotsak’orana be any amin’ny faritra Sofia (misy ny distrikan’i Mampikony) izay mety hahatratra hatramin’ny 50 mm ao anatin’ny 12 ora araka ny sary hita amin’ny zana-bolana. Efa nandefa filazana miloko mena manambara loza mitatao ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, ny fiandohan’ny herinandro teo. Ankoatra ny ao amin’ny faritra Sofia, mbola ao anatin’ny nahazo filazana mena koa ny faritra Analanjirofo, Sava, Tsaratanàna, Maevatanàna, Mahajanga I-II. Mbola hanonja be koa ny ranomasina ka hahatratra 3 m no ho mihoatra ny haavony hatramin’ny zoma izao. Tokony tsy hiandriaka intsony ny olona manomboka eo amin’ny morontsirak’i Besalampy hatrany Vatomandry.    Hikisaka any amin’ny faritra avaratra ny andian-drahona matevina mitondra orana ary hihena kely koa ny heriny.

Anio, ho mafy hatrany ny rivotra amin’ny tendrony avaratry ny Nosy sy ny tapany avaratry ny afovoan-tany. Hanorana tandrifin-drahona arahin-kotroka amin’ny faritra Sava, Diana, Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra-Mangoro, Sofia, Boeny, Melaky, Betsiboka, Menabe ary Bongolava. Hifandimby ny rahona sy ny masoandro amin’ny faritra sisa ny tapany hariva.

Vonjy


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70666

Trending Articles