Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70662

Judo – J.O 2016 : efa voasokajy i Asaramanitra

$
0
0
Judo (Asara)

Ratiarson Asaramanitra. Mpikatroka eo amin’ny sokajy -48 kg vehivavy. Efa nahazo sahady ny tapakila hiatrehana ny Lalao Olympika 2016 (J.O), eo amin’ny taranja judo. Hatreto, mbola i Asaramanitra irery aloha no atleta malagasy voasokajy. Mbola miandry fisokajiana kosa ireo taranjam-pifaninanana hafa, toy ny tolona, atletisma, fibatana fonjamby, sns.

Ho an’ity mpikatroka judo malagasy ity, noho ny isa azony amin’ny filaharana afrikanina sy ny filaharana maneran-tany tamin’ireo fifaninanana iraisam-pirenena isan-tsokajiny no nahazoany ny tapakila. Marihina mantsy fa nandrafitra ny ekipam-pirenena hatrany i Asaramanitra tamin’ireo hetsika iraisam-pirenena nadraisan’i Madagasikara anjara. Manaraka izany, manana toerana tsara aty Afrika eo amin’io sokajy misy azy io i Asaramanitra. Mitana ny laharana fahatelo afrikanina ny tenany farany teo, tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika.

Etsy andaniny, efa manomantena fatratra i Asaramanitra amin’izao fotoana izao. Any ivelany izy no manaraka ny fanazarantenany noho izy tsy mipetraka eto an-tanindrazana.

Miary Narindra


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70662

Trending Articles