Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70716

Fahasalamana : manohana “Youth First” ny PSI 

$
0
0
youth

Nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa ny alatsinainy teo ny PSI Madagasikara sy ny Youth First. Hanome tosika ny “Young Women Leadership Program”, ny PSI mandritra ny herintaona. Hanome fiofanana ireo tovovavy miisa 160 izay handrafitra ny andiany fahadimy sy fahaenina amin’ny resaka fifandraisana ho an’ny fiovam-pitondran-tena sy ny lohahevitra ara-pahasalamana maromaro ihany koa.

Tanjona ny hahafahan’ireo mpiofana mirotsaka bebe kokoa eo amin’ny fiarahamonina ho fanatsarana ny fiainan’ny tanora sy ny zatovovavy. Marihina fa efa vita ny 15 janoary teo ny fihaonana niaraka tamin’ireo ankizivavy 80 voasafidy hiatrika ny “Young Women Leadership Program” andiany faha-5.

Anisan’ny olana sedrain’ny ankizivavy ny henatra sy ny tsy fahalalahana amin’ny firesahana momba ny  fahasalaman’ny fananahana eto amintsika. Mbola vitsy ireo tena sahy miresaka izany mivantana eto amintsika.

Tatiana A


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70716

Trending Articles