Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70721

Fivoriana iraisam-pirenena : hametraka paikady hiahiana ny filaminan’ny Frankofonia ny tafika

$
0
0
Tafika20 jan

 Efa mivonona. Anisan’ny mitana anjara toerana amin’ny fandraisana ireo fihaonana an-tampony hatao eto amintsika : Comesa sy ny Frankofonia, ny eo anivon’ny tafika. Nanambara ny andraikitra horaisin’izy ireo ny lehiben’ny etamazaoro (Cemgam), ny Jly Rasolofonirina Beni Xavier. 

 

« Anisan’ny natao ho laharam-pahamehana ny fanomana ny hiatrehana ny fivoriana iraisam-pirenena hatao eto amintsika », hoy izy, omaly namintina ny fivoriana nandritra ny roa andro nataon’ny tafika teny Soanierana. Nambarany ho anisan’izany ny fisafoana sy ny fiparitahan’izy ireo eto Antananarivo sy ny manodidina. Tsy mifanalavitra amin’izany ny nambaran’ny eo anivon’ny komity mpikarakara ny Frankofonia ny herinandro teo ny amin’ny efa fanofanana ireo manamboninahitra eny anivon’ny sekoly, hiatrika izany fitandroana sy fiahiana ny filaminana ary ny fandriampahalemana izany.

      Ankoatra izany anefa, fotoana io fivoriana nataon’izy ireo io nilazana ny hanamafisana ny fahaiza-manao, miaraka amin’ny zandary, indrindra amin’ireo hetsika hatao, hametrahana filaminana sy fandriampahalemana. « Mila miofana sy manohy hatrany ny fanazarantena ny tafika ary manatsara izany… », hoy ihany ny Cemgam.

Sambo haingam-pandeha avy amin’ny Amerikanina

Nanteriny fa manana tamberin’andraikitra amin’ny vahoaka ny tafika fa tsy vitan’ny kabary fotsiny izany. « Arahina asa hatrany », hoy ihany izy.

Momba ny raharahan’ireo Antandroy any Bongolava kosa, mametraka izany ho eo an-tanan’ny fitsarana ny eo anivon’ny tafika.

     Etsy andaniny, natsidiny sahady ny hahazoantsika sambo avy amin-dry zareo sinoa sy amerikanina, hiarovana ny morontsiraka. « Mila fiomanana sy fahaiza-manao izany. Eo koa ny fikojakojana… hampihena ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena izany. Iantsoana ny fiaraha-mientan’ny rehetra anefa satria midadasika ny morontsiraka », hoy ny Jly Rasolofonirina.

      Araka izany, inoana fa tsy handalo fotsiny ny ezaka hametrahana filaminana sy fandriampahalemana eto amin’ny firenena.

Synèse R. 


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70721

Trending Articles