Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70666

Banky iraisam-pirenena : tsy nitondra tombontsoa ho an’ny besinimaro ny teknolojia niomerika

$
0
0
banky

 Saika miantraika amin’ny fiainana ankapobeny ny fisian’ny teknolojian’ny informatika sy ny fifandraisana. Rehefa tena zohina anefa, mahazo tombontsoa ho azy ny mpanambola sy ny manampahaizana ary tsy afaka misitraka azy ny 60%-n’ny mponina eran-tany.

Tsy araka ny fahitana azy ! Namoaka tatitra ny Banky iraisam-pirenena mikasika ny fiantraikan’ny teknolojia niomerika (Tics) 2016, ahitana ny fifandraisana sy ny informatika ary ny serasera. Fantatra fa tena mahazo tombontsoa sy tombombarotra haingana ary mahazo fampandrosoana ny teknolojia niomerika ny mpanankarena sy ny manampahaizana ary ny  manana fahalalana. Nitombo avo telo heny ny mampiasa ny internet nanomboka ny taona 2005. Saingy, tsy nisitraka izany sady tsy mahazo tombontsoa sy tsy iantraikan’ny teknolojia niomerika ny daholobe, ny 60%-n’ny mponina maneran-tany, tombanana ho 4 miliara.

Mila miezaka ny firenena tsirairay amin’ny fandraharahana

Nambaran’ny filohan’ny Vondrona Banky iraisam-pirenena, Jim Yong Kim, fa “ nanova ny tontolon’ny fandraharahana, ny asa, ny fitantanan-draharaham-panjakana ny teknolojia niomerika.  Tsy maintsy tohizantsika ny fifandraisana sy ny serasera eo amin’izao tontolo izao, ary tsy tokony hisy na iray aza, atao anjorom-bala, satria be loatra ny tombontsoa tokony hohararaotina nefa very. Mila miezaka ny firenena tsirairay manatsara ny tontolon’ny fandraharahana, ny fampiasam-bola ho an’ny fanabeazana sy ny fahasalamana, hatsaraina ny fitantanana ny fanjakana, mba hiantraika sy tsy hitanila ny tombontsoa ateraky teknolojian’ny niomerika”.

Nampisondrotra ny firenena an-dalam-pandrosoana

Tsikaritra fa maro ny fahombiazana eo amin’ny tsirairay, saingy tsy niantraika tany amin’ny fampitomboana ny famokarana amin’ny ankapobeny. Tsy nitombo ny saranga mahantra sy antonony nisitraka ny teknolojia niomerika ary tsy araka ny nandrasana sy nantenaina ny fihatsaran’ny fitantanan’ny mpitondra. Haingana ny fivoaran’ny Tics, saingy miadana ny fiantraikany any amin’ny daholobe.

Na izany aza, anisan’ny nampandroso an’ireo firenena an-dalam-pandrosoana maro ny Tics, nahatonga azy ireny ho anisan’ny firenena vao misondrotra. Anisan’izany i Sina, mahatratra 8 tapitrisa ny mpandraharaha (ka 1/3 ny vehivavy) mampiasa ny varotra elektronika hivarotany ny entany eo an-toerana sy any ivelany. Manodidina ny 1 miliara ny mponina any India nahazo kara-panondro niomerika. Mandoa ny faktiorany any amin’ny sampandraharaham-panjakana amin’ny finday ny 40%-n’ny mponina any Afrika Atsinanana.

Njaka Andriantefiarinesy


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70666

Trending Articles