Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70666

Fitoriana voarain’ny HCC : tratry ny tambabe fanafoanana ny voka-pifidianana ny HVM

$
0
0

Naharay fitoriana  21 ny HCC momba ny fifidianana loholona natao ny 29 desambra teo ny etsy Ambohidahy. Niompana amin’ny fanafoanana ny vokatra azon’ny kandidàn’ny HVM ny ankamaroan’ireo fitoriana tonga eny an-toerana. Nitory azy ireo avokoa sy nitaky ny hanafoanana ny vokatra ny avy amin’ny Mapar any Mahajanga, ny Tim eto Antananarivo ; ny avy amin’ny tsy miankina any Fianarantsoa. Ny Monima any Toliara…

Anisan’ny misongadina amin’ireo fitoriana ny fitakian’ny Malagasy miara-miainga (MMM) ny fanafoanana manontolo mihitsy iny fifidianana loholona iny.

Fanafoanana manontolo iny fifidianana iny

Ho an’ny Tim kosa indray, takin’izy ireo hofoanana manontolo koa ny voka-pifidianana rehetra manerana ny Nosy, ankoatra ny fanintsanana ny kandidàn’ny HVM eto Antananarivo, tarihin-dRandriambololona Mananjara sy ny tsy fanekena vokatra tany Itasy sy Tsiroanomandidy ary Analamanga.

     Efatra be izao kosa ny fitoriana nataon’ny Mapar any amin’ny distrika maromaro any Mahajanga, fitakiana ny vato azon’ny HVM.

     Na izany aza, 10 amin’ireo fitoriana ireo ihany no azon’ny HCC noraisina noho ny fahataran’ny fahatongavan’izany eny Ambohidahy.

Efa ao anatin’ny fandinihana ireo fitoriana ireo ny HCC amin’izao fotoana izao ary tokony havoakan’izy ireo ny asabotsy izao izany.

Synèse R.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70666

Trending Articles