« Resaka lehibe ny amin’ireo Nosy malagasy manodidina ireo. Feno fandripandrika izy io. Tsy fantatra intsony hoe iza no tena mitaky azy ireo, ary iza no mpanao politika manararaotra ireo olona tena mitaky an-tsitrapo ireo Nosy manodidina ireo. » hoy ny mpampianatra mpikaroka, kandidà ben’ny Tanàna, Antananarivo Renivohitra, natolotry ny Arema, tamin’ny taon-dasa, ny Pr Raniriharinosy Harimanana, teny Ankatso, ny faran’ny herinandro teo.
Raha niantso, ohatra, ny Pr Ratsima James teny Andavamamba, tamin’ny taon-dasa, ny amin’ny fitakiana ireo Nosy ireo, akory ny hagagana: ankoatra ireo olona tsy fahita loatra ary entanin’ny finiavana hitaky ny fiandrianam-pirenena, teo avokoa ireo mpanao politika hiringiriny, araka ny nambarany ihany.
« Zava-dehibe ny fihetsiketsehana kasaina hatao, ka tokony ho malina tsara isika », hoy izy. Tsy nafeniny koa fa zava-dehibe amin’ny fitakiana ny Nosy manodidina ireo ny fanokafana ny kianjan’ny Demokrasia eny Ambohijatovo. Vao mainka manatsara eo imason’izao tontolo izao ny amin’ny fitakiana izany.
Hampiray hina sa hampisara-bazana ny samy Malagasy ny fitakiana ireo Nosy malagasy manodidina?
R. Nd.