Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70309

Rugby : mpanazatra 12 nahazo diplaoma «niveau II»

$
0
0
rugby2102

 Mivoatra hatrany ny tontolon’ny rugby eto Madagasikara. Fantatra mantsy izao fa nahazo mpanazatra miisa 12 indray ity taranjan’Ambalambahoaka ity. Ankoatra izay, efa miomana amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny amboaran’ny Aroi ny Makis.

Mpanazatra 12, tamin’ireo 16 nanaraka fiofanana, nahazo ny diplaoma «Niveau II», eo amin’ny rugby à VII. Nandritra ny efa-bolana, nanomboka ny volana novambra 2014 ka hatramin’ny febroary 2015, nianaran’izy ireo ny fomba fanomanantena sy ny fitarihana fanazarantena ary ny mahakasika ireo lalàn’ny rugby, amin’ny ankapobeny. Rafalimanana Berthin (Zoto), “formateur des formateurs” eto Madagasikara, izay ambony grady indrindra “niveau III”, ny nitarika izany. Marihina fa niantsoana ireo rehetra manana ny masontsivana ilaina amin’izany, ny fiofanana fa tsy ny klioba nanolotra olona. Nisy ny fandraisam-pahalalana anaty trano ary teo koa ny fampiharana teny an-kianja izay tena nibahanan’ny fiofanana.

Marihina fa efa saika mpilalao sy olona manazatra klioba avokoa ny ankamaroan’izy ireo. Tokana ihany kosa ny vehivavy nahazo izany diplaoma izany, tamin’ity.

 

Hitantana ny Makis zandriny

 

Hisahana ny ekipan’ny Makis, sokajy U18, hiatrika ny fiadiana ny amboaran’ny ranomasimbe Indianina (Aroi 2015), rugby à VII ireo mpanazatra ireo. Fihaonana hatao eto Madagasikara ny 28 marsa ho avy izao.

Marihina fa misy ekipa 3 ny Malagasy amin’io fihaonana io, ho an’ny sokajy U18. Io izany ny hitarafana ny fampiharan’izy ireo ny fahaizana norantoviny.

Ankoatra izay, misy koa ny an’ny sokajy U16. Ho an’ity vondron-taona ity, ny fikambanan’ny sekolin’ny rugby (Erev), ny XV Sympatiques, ny Enfant de l’Ovale ary ny ekipa voafantin’ny federasiona hakana izay handrafitra ny Makis.

Fiofanana manaraka ho an’ny “Niveau II”, ny volana marsa. Ny 2 volana voalohany, manome fiofanana Berthin Zoto fa ny fanadinana famaranana, hataon’ilay Senegaley, Amada Bakhoum, tomponandraikitra eo anivon’ny kaonfederasiona afrikanina (Car).

 Tompondaka

Ireo mpanazatra nahazo diplaoma “niveau II”

Rakotoarivelo Noé (Razily) ; Randriantiana Charles (Baba), mpanazatran’ny TFA ; Rakotonindriana José Patrick (UASC), Raharinirina Tsinjo Natiora (mpilalao Makis vehivavy) ; Ratsima Camille (RCTS) ; Randriankoto Jonah Ruffin (US Ikopa) ; Randrianarison Marie Eric (Sefo) mpanazatran’ny STM ; Randriamihaja Alain (3FAI), Ramangalahy Fabiola (US Ankadifotsy) ; Ravoavahy Lanto (SCB vehivavy) ; Randriamaro Maminarivo Hajasoa (FTM) ; Randrianantenaina Andry Imboasalama (3F5).

Cet article Rugby : mpanazatra 12 nahazo diplaoma «niveau II» est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70309

Trending Articles