Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70319

Tsipy kanetibe : hifampitady ireo kalaza

$
0
0
tsipy2102

 Hotontosaina, eny amin’ny kianjan’Ankatso anio asabotsy 21 sy rahampitso alahady 22 febroary, ny dingana voalohany amin’ny fifaninanam-pirenena, amin’ny taranja tsipy kanetibe, olon-telo miaraka lehilahy. Hiara-dalana amin’ity fihaonana ity koa ny fifaninanana mitifitra “tir de precision”. Hangotraka tokoa, araka izany, ny lalao satria hifampitady eny mandritra ny roa andro ireo kalazalahy amin’ity taranja tsipy kanetibe ity.

Marihina fa izay ekipa 16 miatrika ny dingan’ny ampaha-32-n-dalana sy ireo mpilalao 4 tafita amin’ny manasa-dalana eo amin’ny fifaninanana mitifitra, tafita avy hatrany hiatrika ny famaranana lehibe.

Tsiahivina fa izay misalotra ny ho tompondakan’i Madagasikara 2015, ho an’ny olon-telo miaraka sy ny fifaninanana mitifitra, hisolo tena antsika any amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, hatao any Tchad, ny 12 ka hatramin’ny 14 jona ho avy izao. Ity fihaonana ity, natokana ho an’ireo mpilalao manana kara-pilalaovana.

Tafiditra ao anatin’ny fanomanantenan’ireo ekipa malagasy handeha hiatrika ny “Stad des Masters”, tanterahina any Pattaya, Thaillande, ny 6 ka hatramin’ny 8 marsa 2015 izany.

 Tompondaka

Cet article Tsipy kanetibe : hifampitady ireo kalaza est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70319

Trending Articles