Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70593

BFV-SG  : masoivoho vaovao eny Andraharo

$
0
0

Nahatratra 40 ny masoivohon’ny banky BFV-SG nohavaozina tato anatin’ny telo taona ary telo ny vaovao nosokafana. Ao anatin’ireo koa ny fiovan-toerana, toy ny tetsy amin’ny Galaxy ary nifindra eny amin’ny Cap 3.000, samy eny Andraharo.

Tanjona ny hanomezana tolotra sahaza ny mpanjifa mifanandrify amin’ny toetrandro sy ny teknolojia maoderina. Hitohy any amin’ny faritra hafa ny fanavaozana toy izao, amin’ity taona 2016 ity, anokanana tetibola manokana amina miliara Ar.

Manome ny tolotra rehetra amin’ny lafiny ara-bola ity masoivoho vaovao ity, toy ny fametraham-bola, findramam-bola, fitahirizam-bola, fanakalozam-bola vahiny, sns.

Njaka A.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70593

Trending Articles