Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70605

“Ciné Attac” : hiainga amin’ny “Ady gasy” ny adihevitra  

$
0
0

Mitety firenena sy karazana hetsika samihafa ny “Ady gasy”, sarimihetsika malagasy notontosain’i Lova Nantenaina. Mitohy ny fahombiazana ho an’ity tantara an-tsary ity raha ny fandefasana azy any ivelany any no resahina. Hisantatra izany sahady ny amin’ny 11 janoary izao, any Paris.

Tsy “festival”, toy ny fandre matetika, no nisafidy ity horonantsary ity, amin’io fotoana io fa ny “Attac”, fikambanana na vondrona iray tsy mankasitraka ny fanatontoloana. Tafiditra ao anatin’ny hoe “Ciné Attac” izany hetsika izany.

Aorian’ny fandefasana ny horonantsary “Ady gasy”, hisy ny adihevitra mikasika indrindra izay foto-kevitra ijoroan’ny fikambanana izay. Azo lazaina ho tsy mahagaga ny nisafidianana ity horonantsary malagasy ity. Raha tsiahivina mantsy, misongadina ao ny fiatrehan’ny mponina aty amin’ny tany mahantra, i Madagasikara, izany fahantrana izany: ny fahaiza-mikaroka sy mamorona fitadiavam-bola. Fitadiavana mifamatotra hatrany amin’ny zava-bitan’ny tany mandroso.

Araka izany, mbola voaporofo fa tsy mijanona ho kanto sy mampiala voly fotsiny ny sarimihetsika toy itony. Maneho ny zava-misy, miaro foto-kevitra, manaitra ny mpitondra ary mety hanova ny fitantanana izao tontolo izao izy.

Landy R.  


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70605