
Nijoro ihany ireo mpiasan’ny fananan-tany. Tsy misy mazavazava loatra ny fihetsika fivarotana tanim-panjakana anaovana dokam-barotra etsy sy ero ankehitriny. Mainka koa mitobaka ny fisian’ireo manjary manana taratasin-tany tsy mazava, na manao ezaka iadiana amin’ny kolikoly aza ny Bianco sy ny tompon’andraikitra. Fandanian’andro ihany ireo atrik’asa etsy sy eroa hanatsarana ny fananan-tany eto amintsika.
Nanao fanambarana, noho izany, ireo sendikàn’ny mpiasan’ny sampan-draharahan’ny fananan-tany (SIDPFM, SCDM, SARDM), ivondronan’ireo teknisianina amin’izany fa misy fikasana tskelikely hanala ny fiahiana ny falin’ny fananan-tany eo ambany fifehezana sy fitantanan’ny fanjakana. « Tokony hijanona eo ambany fifehezana sy fitantanan’ny fanjakana mivantana ihany ny lafin’ny fananan-tany izay anisan’ny fototra iorenan’ny firenena iray », hoy izy ireo, omaly. Antony, endirka iray isehoan’ny fahaleovantena sy fiandrianam-pirenena izany.
Tsy tokony hisy fananan-tany roa
Noho ny kolikoly sy fahalalana olona amin’ny fanaovana « bizina », miteraka ady tany eny amin’ny fitsarana ny fahitana taratasin-tany na titra samihafa eny am-pelatanan’olon-droa samihafa ; « Manisy elanelana sy miendrika fanavakavahana eo amin’ny samy Malagasy ny fisian’ireo taratasy porofon’ny fananan-tany roa ireo », hoy ihany ireo teknisianina. Fanampin’izany, samihafa ny titra ho an’ny mponina an-tanan-dehibe sy ny karatany ho an’ny mponina ambanivohitra. Fanilikilihana sy fanambaniana izany, ho azy ireo. Tsy tokony hisy rahateo izany fa rehefa titra dia titra mba ho azo antoka ny fiarovana ny fananan-tany.
Nametraka koa ireo sendika telo tonta ireo fa tokony ho marin-toerana sy marim-pototra kokoa ny sata mifehy ny sampan-draharahan’ny fanana-tany sy ny fandrefesan-tany. Manaraka izany avy hatrany ny amin’ireo mpiasan’ny fananan-tany sy ny fandrefesan-tany mba hahafahan’izy ireo manao ny asany ara-dalàna. Ny antony, mateti-piavy ny fiovavovan’ny minisitera isaky ny misy fiovam-pitondrana eto amin’ny firenena. « Tokony homena minisitera manokana mihitsy aza raha ny maha zava-dehibe ny lafiny fananan-tany no jerena », hoy izy ireo.
Mitaky fitsinjaram-pahefana marina
Tsy ny fitsinjaram-pitondrana ihany no ilaina eto amintsika. Mitaky fitsinjaram-pahefana marina koa ny ao amin’ny fananan-tany. « Tokony haparitaka hahenika ny distrika rehetra manerana ny Nosy ny Sampan-draharahan’ny fananan-tany sy ny fandrefesan-tany mba hanakaiky kokoa ny vahoaka », hoy ireo sendikà. Izany hoe, tsy mbola nisy nahavaha olan’ny fananan-tany ireo « guiché unique » na Birao ifoton’ny fananan-tany (Bif) hatramin’izay.
Mainka koa aza, toa miteraka hafetsifetsena sy kolikoly ho an’izay mahafantapantatra olona ambony ny raharaha. Ny fanirian’izy ireo, hatrany amin’ny kaominina toy ny fisian’ny delegem-panjakana no hisian’ny biraon’ny fananan-tany amin’ny boriborintany, ohatra.
Ankoatra izany, manamarika izy ireo fa tokony hojerena sy havaozina amin’izay ny sata mifehy ireo teknisiana amin’ny fananan-tany sy ny fandrefesan-tany mba hifanaraka amin’ny zava-misy ankehitriny.
Zo. Ra.
Cet article Fananan-tany : « Aleo ho an’ny fanjakana ny fandaminana », hoy ireo sendikà est apparu en premier sur NewsMada.