
Firy marina ny isan’ireo kaominina farany sy azo antoka? Tsy misy sahy manonona tarehimarika ny amin’izany na ny governemanta na ny depiote ary indrindra ny Cenit, hiantsoroka ny fikarakarana ny fifidianana ben’ny tanàna sy ny mpanolotsain’ny kaominina. Ho tombontsoan’ireo ho kandidàn’ny antokon’ny fitondrana ? Raha ny fampahafantarana farany avy amn’ny minisiteran’ny Atitany, mety ho any amin’ny fiandohan’ny volana marsa any vao hivoaka izany.
Midika izany fa hihemo-dava toraka izany koa ny fanombohan’ny fametrahan’ireo te ho kandidà ho ben’ny tanàna ny forotsahan-kofidina. Efa nivaona lavitra amin’ny tetiandro naroson’ny Cenit hahafahany manomana ny lafiny teknika rehetra izany. Raha tsiahivina, efa nametraka ny Cenit fa tokony ho fantatra alohan’ny faran’ny volana janoary teo izany isan’ny kaominina izany. Hatramin’izao, nijanona ho ankamantatra ny amin’izany.
Homena vahana ny HVM?
Raha izao fizotry ny raharaha izao, ireo ho kandidàn’ny antokon’ny fitondrana HVM ihany no mety mahalala ny ati-vilany amin’izay fiomanana rehetra. Ny mahagaga, na ny Cenit aza, tsy mbola nandrenesam-peo loatra amin’izao fihemoran-dava tsy fantatra antony izao. Ny fantatra aloha, tsy mihemotra amin’ireo dingam-panomanana izy ireo, na inona na inona paipaik’ady ataon’ny governemanta sy ny olon’ny fitondrana. Anisan’izany ny fitetezam-paritra efa ataon’ireo rantsa-mangaikany amin’ny fanomanana ara-teknika rehetra.
Hikorontana araka izany ny fandaminan’ireo antoko politika hafa ivelan’ny fitondrana. Raha ny daty fanombohana ny fametrahana antotan-taratasy firotsahan-kofidina ho ben’ny tanàna sy mpanolotsain’ny kaominina, ny 3 marsa izao izany. Araka ny loharanom-baovaonay anefa, mety ho an’ny amin’ny 18 marsa any indray izany, izay tsy hifarana raha tsy ny 16 avrily ho avy izao. Ho tombontsoan’iza indray izany?
Zo. Ra.
Cet article Fifidianana ben’ny tanàna : mihemo-dava ny firotsahan-kofidina est apparu en premier sur NewsMada.