Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70297

Fiaraha-miasa amin’ny any ivelany : hitohy ny fanampian’ny Vatican

$
0
0
P2072549

“Mbola hanohana ny ezaky ny fitondram-panjakana malagasy eo amin’ny sehatry ny fanabeazana sy ny fahasalamana ny foiben’ny Eglizy katolika romana ao Vatican”, araka ny fanambaran’ny Nonce apostolique Eugène Martin Nogent teny Iavoloha, omaly. Handao an’i Madagasikara ity solontenan’ny Papa Ray Masina niasa teto nandritra ny dimy taona ity ary nanao veloma ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery, tamin’io fotoana io. Nampahafantariny tamin’izany ny fanohanany hatrany ny hevitry ny filoham-pirenena malagasy teo amin’ny fanovana ara-tsosialy sy ara-toekarena, nandritra ny nifandraisany taminy. “Nahatety faritra maro ary nifanakalo hevitra tamin’ny ankolafim-pinoana isan-karazany teto Madagasikara ny Nonce apostolique nandritra ny fotoam-piasany teto”, hoy ihany izy.

Efa niasa tany Torkia, Jerosalema ary Phillipines ny Monseniera Eugène Martin Nogent mialohan’ny nanendren’ny Papa Benoît XVI azy hiasa teto Madagasikara tamin’ny 15 febroary 2010. Hanohy ny asa maha Nonce apostolique azy any Haïti izy amin’izao famindrana azy izao.

Manou

Cet article Fiaraha-miasa amin’ny any ivelany : hitohy ny fanampian’ny Vatican est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70297

Trending Articles