
Nampiditra paikady vaovao hanatsarana ny varotra tantely nataon’ireo kaoperativa niarahany niasa nanamorona làlam-pirenena iray teto Madagasikara ny mpilatsaka an-tsitrapo amerikana tao amin’ny Peace Corp, Kelly.
Nahomby ny fampiasany T-shirt ho fanamiana nitovian’ireo mpivarotra rehetra satria nahasintona ny mason’ireo mpandalo, hividy ny vokatra, sady nanamafy ny firaisan-tsaina teo amin’ny samy mpamokatra. Fivoriana nisesy am-bolana maro no nanapahana ny fampiasana ity paikady ara-barotra naroson’i Kelly ity vao nahitana ny vokatra azo amin’izao fotoana izao, hoy ny mpikambana tamin’ireo kaoperativa.
Manou
Cet article Fampivoarana ny varotra tantely : nitondra fivoarana ny Peace Corp est apparu en premier sur NewsMada.