Mihenjana hatrany ny tady eo amin’ny lafiny fizarazarana ho kaominin’ny boriborintany an’Antananarivo Renivohitra aroson’ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitondrana. Tsy manaiky izany ireo teknisianina ao anivon’ny kaominina. Raha ny vaovao azo farany, omaly, nametraka 72 ora ho an’ny fitondrana ireo mpiasan’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra (CUA) hampiatoana na hampihantonana io lalàna mamaritra ny satan’Antananarivo io.
Tsy misy resy lahatra ny amin’io, indrindra ny lafiny teknika, ny rehetra. Nitaky, noho izany, ireo mpiasan’ny CUA tsy manaiky ny fizarazarana ny tokony hitondran’ny fitondrana fanazavana ny amin’izany. Raha tsy izany, hidina eny amin’ny kianjan’i Mahamasina izy ireo ny talata ho avy izao rehefa tsy misy valiny. Nanamafy ireo mpiasa ny amin’ny fitakin’izy ireo fanazavana antsipiriany amin’ny mpiasa sy ny vahoaka mikasika io lalàna io. Takina hanao toy izany koa ireo depiote nandany io lalàna io. Na izany aza, hisy ihany ny fampandehanan-draharaha ankapobeny amin’ny maha mpiasam-bahoaka azy ireo.
Mitady marimaritra iraisana ny minisitera
Ahina tsy hilamina ny raharahan’ny satan’Antananarivo Renivohitra (CUA). Efa navoakan’ny filan-kevitry ny governemanta fa natsangana ny nambara ho vaomiera handinika ny fanatanterahana izany sy ny fitsinjarana ireo mpiasa sy ny fananan’ny CUA. Rehefa nivory niaraka tamin’ny minisiteran’ny Atitany ny sasany tamin’ireo mpiasan’ny CUA, afakomaly, hatsangana io vaomieran’ny fanatanterahana izany.
Raha ny fampitam-baovaon’ny minisitera, natao izany hahazoana manohy ny diniky ny vaomiera iombonana, mba tsy hahatompon-trano mihono ny mpiasan’ny CUA. Tsy mahalala izany anefa ny sasany na dia izy ireo aza no iharan’ity lalàna ity. Voalaza fa hiara-kitady vahaolana amin’ny fametrahana ny rafitra izy ireo.
Raha ny fizotry ny raharaha, tsy ny hamerenana indray izay efa nolanian’ny depiote no tanjona fa fitadiavana ny marimaritra iraisana. Nambara ho fitadiavana ny tombontsoan’ny rehetra izany, raha ny filazan’ny minisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier teny Anosy, omaly. Aminy, tsy fandravana io fa fanatsarana ary niara-nidika tamin’ireo mpiasan’ny kaominina izy ireo.
Zo. Ra.
Cet article Fizarana an’Antananarivo : mbola tsy manaiky ireo mpiasan’ny kaominina est apparu en premier sur NewsMada.