Nanenina izay tsy tonga fa ireo tonga àry nanetsetra. Nifarana, omaly, ny hetsika sy ranty narahin-kira sy antsa « Fandio iray siny… » nataon’ny fikambanana Vaika sy ny Foibe momba ny teny ao amin’ny Akademia Malagasy tao amin’ny Tahala Rarihasina. Ankoatra ny ranty sary aman-tsoratra naneho ireo sangan’asan’i Hemerson Andrianetrazafy, nisy hatrany ny loabary an-dasy sy dinidinika niaraka tamin’ireo mpahaikanto marolafy, hatramin’ny zoma 20 novambra lasa teo.
Tamin’ny ankapobeny, ireo efa mahalala sy mahafantatra ary mankafy ny kanto ho arofanina ho an’ny fiarahamonina no nanoina ny fanasan’ny Vaika. Ireo àry tsy afa-po noho ny hakelezan’ny fotoana nihaonana. Porofo izany fa mbola sarotra ny lalan’ny kolontsaina mitaha amin’ny kolon-javatra hafa nasesika tao an-dohan’ny fiarahamonina. Saingy soa fa nisy ny « Fandio iray siny… » hanezahana hamafa tsikelikely ny fandoto manafotra ny mpiara-belona « maty fahavelona ».
Tao, ohatra, ny dinidinika niarahana tamin’i Hajaina (poeta), ny famelabelarana momba ny « Fandio iray siny » nentin’i Hemerson A., ny fisantarana gadona niaraka tamin’i Mendrika, ny « Loharano sy hetaheta », naroson’i Jean-Emilien ary nofaranana tamin’ny « Hafatry ny andon’ny lanitra sy ny tsiron’ny tany… » nafafin’ny Olombelo Ricky sy ny ekipany. Izay liana kosa, misy tsindrin-tsakafo hatolotry ny tarika Rary, anio.
Zo. Ra.
Cet article Hetsika « Fandio iray siny… » : izay efa mahalala ihany no nanoina est apparu en premier sur NewsMada.