
Nitohy tany Morondava ny herinandro lasa teo ny fanofanana ny fiahiana ara-tsosialy ireo tompon’andraikitry ny sekoly katolika (Didec) ao amin’ny faritra Menabe. « Matotra ny fiaraha-miasan’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana ara-tsosialy (Cnaps) sy ny sekoly katolika, satria anisan’ny mavitrika izy ireo amin’ny fanefana latsakemboka sy ny fanoratana ny mpiasa », hoy ny lehiben’ny masoivoho Cnaps Morondava. « Mandrindra ny fiarahamonina ny fanarahan-dalàna », hoy kosa ny talem-paritry ny minisiteran’ny Fanabeazana. Ho an’ny masera Ericka, talen’ny Lycée Immaculée Morondava, hitany fa tena mitsinjo ny mpiasa sady mijery akaiky ny maha olona izao fidinana ifotony izao.
Tsy miova ny karatra
Votoatin’ny fiofanana ny fampahalalana ny lalàna ny tolotry ny Cnaps toy ny fiahiana ny fianakaviana, ny solon-takaitra raha sendra loza vokatry ny asa, ny fisotron-dronono, anisan’ny tena nahaliana ny mpanatrika.
Ankoatra ireo, mampahatsiahy ny Cnaps fa tsy miova ny karatra sy ny fandaminana fakana fisotroan-dronono. Afaka manatona ny masoivoho kosa, raha sendra very ny karatra.
Njaka A.
Cet article Sekoly katolika : mavitrika mandoa latsakemboka est apparu en premier sur NewsMada.