Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70339

Dobo filomanosan’ny ANS : tsy voaloa ny karaman’ny mpiasa

$
0
0
DSC_3185

Nanao hetsika fanairana, hoenti-mitaky ny tambin-karamany ireo mpampianatra milomano ao amin’ny dobon’ny « Académie nationale des sports » (ANS) ao Ampefiloha, omaly.

Tsy nisy voaray ny tambin-karama isam-bolana, nifanarahana hatramin’ny nanombohan’ny fampianarana tamin’ny oktobra teo, nefa naloa ara-dalàna avokoa ny an’ireo mpampianatra taranja hafa, araka ny fitarainan’izy ireo. Ataon’ny tale jeneralin’ny ANS andraso lava ny fandoavana ny volanay, hoy izy ireo, nefa mampiditra 50 000 ariary tsirairay isam-bolana ny mpianatra 500 iandraiketanay. Miasa adiny dimy isan-kerinandro ny tsirairay amin’ireo mpampianatra milomano mihoatra ny roapolo mianadahy miasa ao amin’ny ANS ary mitana mpianatra folo eo ho eo, isaky ny miditra, araka ny fanazavan’ny solontenany, omaly.

Nampanantenain’io tale jeneraly io vahaolana indray izy ireo, omaly hampiatoana ny hetsika, ka nilaozany nifanatona tany amin’ny minisitra mpiahy.

Manou

Cet article Dobo filomanosan’ny ANS : tsy voaloa ny karaman’ny mpiasa est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70339

Trending Articles