
Nahavita dingana lehibe teo amin’ny sehatry ny fiarovana ny tontolo iainana ny sampandraharaha mpikirakira ny vakisiny ao amin’ny minisiteran’ny fahasalamana.
Noezahin’ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany tao amin’io sampan’asa io notandremana avokoa ny toromarika lehibe, napetraka ho fanatanterahana ny famogorana ny entona manapotika ny sosona ozona. Fitsipika nifampifehezana, noho izany, ny tsy maintsy hampiasana teknisiana ankatoavin’ny Birao nasionaly ozone (BNO) amin’ny fikirakirana ny vata fampangatsiahana ampiasain’ny sampandraharahan’ny vakisiny manerana ny nosy. Izy ireo ihany no hanangona ny entona tsy mifanaraka amin’ny fenitra sy hitily ny fahasimbana rehetra mety hisiana fivoahan’ireo entona voarara ireo.
Hatomboka ankehitriny ny fanaparitahana taratasy ara-panjakana, handidy ny tobim-pahasalamana rehetra, hanaraka io fepetra io, araka ny fanambaran’ny lehiben’ny sampandraharahan’ny vakisiny, ny Dr Rakotomanga Louis Marius, omaly.
Notontosaina teny Befelatànana omaly ny lanonana nanoloran’ny Birao nasionaly ozone avy ao amin’ny minisiteran’ny tontolo iainana ny taratasy fankasitrahana ny ezaka vitan’ity sampandraharaha ity. Notsipihin’ny mpiandraikitra ny BNO, Rabemananjara Rivomalala, fa nahatanteraka ny tokony hatao amin’ny fiarovana ny sosona ozone araka ny fifanarahana iraisam-pirenena nosoniaviny i Madagasikara, hatramin’izay.
Manou
Cet article Fikajiana ny tontolo iainana : nanome fankasitrahana ny BNO est apparu en premier sur NewsMada.