Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70297

Olan’ny labatoaran’Ankadindratombo : hanomboka ny fanadihadiana ny Bianco

$
0
0
DSC_1824

Tsy mijanona ary vao mainka mihamafy ny fifandroritan-kevitra eo amin’ireo voakasiky ny raharahan’ny labatoaran’Ankadindratombo satria samy mandrahona hihenjana ny andaniny sy ankilany.

Handray ny andraikiny, hirotsaka amin’io ady io manomboka androany, ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco). Ho valin’ny fitarainana nanaikana azy hanadihady mikasika ny fiahiahiana kolikoly amin’ny fomba nampanofan’ny kaominina Alasora io toerana io amin’ny mpandraharaha sinoa mandritra ny 99 taona izao hampihetsika azy izao. Tsy neken’ireo nanohitra ny fifanarahan’ny kaominina sy ny sinoa tokoa mantsy ny tsy nanaovana tolo-bidy tamin’ny fampanofana, araka ny filazany, ka nitarika izao fitondrana ny raharaha teny amin’ny tompon’andraikitra izao, ho fampanjakana ny tany tan-dalàna.

Isan’ny hanaovana fanadihadiana, mazava loatra, ny filohan’ny fikambanana Hafari malagasy, mpiaro zon’olombelona, Rafanomezantsoa Jean Nirina, nanampy ny mpamongady hanohitra iny fanapahan-kevitry ny kaominina Alasora iny. Ny tsy nanaovana tolo-bidy tamin’ny fampanofana ny tanin’ny kaominina iorenan’ny labatoaran’Ankadindratombo amin’ny vahiny no fototry ny olana tamin’izao raharaha izao. Hamafisin’ny ben’ny tanàna anefa fa tsy ilaina izany satria fananan’ny kaominina madiodio ny toerana nampanofainy.

Manou

Cet article Olan’ny labatoaran’Ankadindratombo : hanomboka ny fanadihadiana ny Bianco est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70297

Trending Articles