Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70297

Mpitsabo nanao kolikoly tao Toliara : ny voampanga indray no mitady hanakorontana

$
0
0
DSC05712

 Tsy kely lalana ny ratsy amin’ny kolikoly. Miparitaka ao Toliara indray mantsy izao ny trakta mitaky famoahana dokotera mpitsabo iray, notanana vonjimaika any am-ponja noho ny kolikoly sy fanamparam-pahefana. Araka ny vaovao azo tamin’ny fanadihadiana tany an-toerana, misy vondron’olona nandeha tany amin’ny Fitsarana nangataka famoahana vonjimaika io mpitsabo io, ny 17 febroary lasa teo. Ahiana ho izy ireo ihany no nanely sy nanaparitaka io trakta io.

Raha tsiahivina ny raharaha, naharay taratasy fitarainana tamin’olon-tsotra ny rantsan’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco) ao Toliara tamin’ny volana jona 2014. Voalaza tamin’izany fa manao kolikoly sy fanamparam-pahefana ilay mpitsabo amin’ny hopitaly iray. Am-bolana maro, asain’ilay mpitsabo mankany amin’ny biraony mivantana ireo tsy salama na mila fizahana tao amin’io hopitaly io, tsy mandalo ny mpandray olona.

Aorian’ny fizahana, noteren’io dokotera mpitsabo io handoa vola manokana aminy avokoa ireo mandalo ao aminy. Vitsy, noho izany, ireo mizaha fahasalamana no voarakitra ao amin’ny bokin’ny hopitaly. Ampiasain’io mpitsabo io ho an’ny tombontsoany manokana ireo fitaovan’ny hopitaly. Rehefa natao ny fitiliana sy fanaraha-maso narahana fanadihadiana, tratra ary nakarina tany amin’ny Fitsarana ilay mpitsabo sy ireo mpiray tsikombakomba taminy.

 Raikitra ny fampiasana fahalalana olona

 Mafanafana ity raharaha ity. Raikitra ny tsindry bokotra tsy handehanan’ny raharaha lavitra any amin’ny Fitsarana. Tsy nahovoka anefa izy ireo ka notanana vonjimaika any am-ponja aloha ilay mpitsabo. Ny zava-misy anefa, nangataka hampidirina hopitaly noho ny tsy fahasalamana manjo azy ilay dokotera mpitsabo. Noforonina tamin’ny andron’ny nampidirana vonjimaika azy am-ponja io taratasy io. Araka ny loharanom-baovaonay farany, misitraka izany fidirana hopitaly izany i dokotera.

Ankoatra izany, mihetsika ireo vondron’olona miketrika hampanjavona ity raharaha ity. Manao fihetsiketsehana manohana sy mitaky ny fanadiovana ity dokotera mpitsabo voalaza ho nanao kolikoly ity izy ireo. Toraka izany ny fanoheran’izy ireo ny ezaka hanadiovana ny fitantanan-draharahan’ny hopitaly. Araka ny fantatra, hiakatra Fitsarana amin’ny 12 marsa izao ity raharaha ity. Mbola hisy tsindry bokotra tsy hahatanteraka ny asan’ny Fitsarana madiodio indray ve aorian’izao?

 CM

Cet article Mpitsabo nanao kolikoly tao Toliara : ny voampanga indray no mitady hanakorontana est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70297

Trending Articles