
Ho maina ny andro amin’ny ankapobeny ny maraina saika manerana ny Nosy, araka ny fanambaran’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, omaly. Hanorana mety arahina kotroka kosa ny hariva sy ny alina ankoatra ny faritra Atsimo Andrefana, izay ho maina hatrany. Mandrafitra ny toetry ny andro ny alizay malefaka tsy marin-toerana. Voalaza koa fa hidina ny maripana ambony sy ambany, indrindra raha mitaha ny tamin’ny herinandro lasa.
Na hoavy aza ny orana mandritra ny ity herinandro ity, tsy ho betsaka izany.
Tany Fianarantsoa, niaraka amin’ny havandra lehibe ny orana ny faran’ny herinandro. Nandrava voly maro izany raha ny habeny no jerena.
Vonjy
Cet article Toetry ny andro : hitohy ny orana est apparu en premier sur NewsMada.