Nentina am-bavaka tetsy amin’ny FJKM Isotry Fitiavana ny faha-10 taon’ny Scoop Digital ny herinandro teo. Nisongadina nandritra ny resaka nifanaovana tamin’ny tompon’andraikitra ny hidirana amin’ny sehatra sosialy kokoa amin’ny 10 taona manaraka.
Hiara-hiasa hatrany amin’ny mpanakanto anefa ny Scoop Digital ao anatin’izany. “Fandio” no hiantsoana ny tetikasa. Hitsimbina kokoa ny marary, ny ankizy amin’ny alalan’ny tohana eo amin’ny fianarana sy sehatra maro ara-tsosialy ny hetsika hatao.
Omen-danja ao anatin’izany ihany koa ny mpankafy ny vokatra toy ny horonantsary nivoaka rehetra hatramin’izay.
Marihina fa hiaka-tsehatra ny 13 desambra izao ny Team Safelika ary maherin’ny 40 ireo fampisehoana hataony amin’ny taona 2016.
Tatiana A.
Cet article Feno 10 taona : hanao asa sosialy ny Scoop Digital est apparu en premier sur NewsMada.