Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70415

Tsenan’i Namontana : fiara 4 L iray sy tranohazo miisa 20 kilan’ny afo

$
0
0
VENTREtaratra

 Kila hotohoton’ny afo avokoa ireo tranohazo miisa 20 sy trano biriky telo tao amin’ny tsenan’i Namontana, omaly vao maraina. Tsy fantatra ny niantombohan’ny afo. Fiara 4L iray koa levon’ny afo…

Nijoalajoala indray ny afo teny amin’ny tsenan’i Namontana, omaly vao maraina. Tranohazo fivarotana, fisakafoana, trano fonenana… miisa 20 sy trano biriky telo no indray kilan’ny afo. Lasa lavenona avokoa ny entana rehetra tao am-pivarotana ary tsy nisy noraisina intsony. Tsy nisy kosa ny aina nafoy. Araka ny fanazavan’ireo niharam-boina, tamin’ny 2 ora maraina tany ho any no nitrangan’ny firehetana. Samy nanana ny filazany rahateo ireo mponina teny an-toerana satria mbola samy renoky ny torimaso avokoa ka tsy nahita ny fiantombohan’ny afo. Ny afo efa nijoalajoala no nahataitra ny mponina. « Olona nikorontana tany ivelan’ny trano no nahataitra anay efa-mianaka tato an-trano. Afo nijoalajoala no hitako raha vantany vao namoha varavarana aho », hoy ny fitantaran’ny raim-pianakaviana iray. Raikitra ny fifanjevoana taorian’izay satria samy nanao izay ho afany tamin’ny famoahana ny entana ny mpivarotra. Nisy aza ireo mbola tany an-tranony no nantsoiny ny namany fa hoe may ny fivarotana.

Nisy nilaza fa fipoahana herinaratra no nahatonga ny famaizana. Ny hafa kosa nilaza fa afona fatampera niainga avy ao trano fisakafoana iray niitatra ka nitarika ny famaizana.

Tsy ny aina nafoy nandritra ny famaizana satria olona vitsivitsy ihany no matory ao am-pivarotana fa manana ny trano fonenany ireo mpivarotra sasany.

Nanahirana ny famonoana ny afo…

Toy ny fahita amin’ny trangana haintrano, nanahirana ny famonoana ny afo satria tranohazo ireo nirehitra ka izay no isan’ny nampanano sarotra ny famonjena. Niezaka namono ny afo ihany ny mponina teo amin’ny tsenan’i Namontana, saingy tsy naharesy tosika ny fijoajoalan’ny afo. Tonga teny an-toerana kosa ny mpamonjy voina taorian’izany.

Levon’ny afo ihany koa ny fiara 4L iray. Voalazan’ireo niharam-boina fa mitentina an-tapitrisany ny tentim-bidin’ny famaizana tamin’ireto trano fivarotana ireto.

Araka ny tatitra azo avy amin’ny mpamonjy voina, miisa 20 ireo tranohazo levon’ny afo niampy trano biriky telo.

Nahazo vahana teto an-dRenivohitra tamin’ity taona ity ny haintrano. Isan’ny nisongadina tamin’izany, ilay nitranga teny Andravoahangy tao amin’ny fivarotan-kazo izay mitentina amina miliara ny famaizana vokatry ny firehetana. Tsy nisy avotra intsony ny entana rehetra fa lasa lavenona hatramin’ny fiaran’ireo mpandraharaha momba ny hazo ireto.

Tsy vitsy ireo olona namoy ny ainy vokatr’izany. Midika izany fa tokony hitandrina hatrany ny tsirairay mba hisorohana amin’ny loza mahatsiravina toy izao. Tandrevaka kely fotsiny anefa indraindray no mahatonga ny famaizana ka amoizana ny fananana nohariana an-taonany maro.

J.C

Cet article Tsenan’i Namontana : fiara 4 L iray sy tranohazo miisa 20 kilan’ny afo est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70415

Trending Articles