Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Telo volana faharoa : ady mafy anaty fotoana fohy

$
0
0
tanora

 Ny telo volana faharoa no mafy indrindra eo amin’ny taom-pianarana. Fohy ny fotoana ianarana, kanefa hanenjehana ny lesona rehetra.

Ao anatin’ny telovolana faharoa ny mpianatra rehetra ankehitriny. Io no fotoan-tsarotra sy ilana fifantohana, indrindra raha ny filazan’ny mpampianatra. Enjehina ao anatin’ny telo volana avokoa ny lesona rehetra tsy vita.

Tsy tokony ho variana intsony fa mila mifantoka tanteraka ny saina. Tokony ho hay sy voafehy avy hatrany ny lesona vita fa tsy avela hitarika. Tanjona amin’izany ny tsy hahavizana ny saina sy hampitambatra ny fianaran-desona.

Dieny izao ihany koa dia tokony ho hay ireo raikipohy sy ny fampiasana azy. Anontaniana avy hatrany ny mpampianatra izay lesona tsy mazava sy ilana fanazavana bebe kokoa. Tsy tokony ho menatra mihitsy manao izany.

Mila mazoto mifoha maraina mamerin-desona. Tsy tokony hiari-tory kosa satria mampihena ny fitadidiana ny tsy fahampiana torimaso. Efa azo atomboka ihany koa ny fitaizam-batana ho an’ireo hiatrika fanadinana ka nisafidy ny hanao fanatanjahantena.

Famerenana sy fanamafisana izay rehetra vita nandritra ny telo volana voalohany sy faharoa no hatao amin’ny telo volana fahatelo. Fanomanana ny fanadinana fifindrana kilasy sy fanadinam-panjakana ihany koa amin’izany.

Herezo dieny izao ary ny fianarana fa enjikenjika ity telo volana faharoa ity. Ampandefero ny lalao sy ny fandehandehanana, indrindra ny fijerena fahitalavitra sy ny fandaniana andro eo amin’ny « facebook ».

Cet article Telo volana faharoa : ady mafy anaty fotoana fohy est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles