Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70313

Indostria : hojerena akaiky ny momba ny Sucoma

$
0
0
Sucoma

 Nandefa teknisianina any Morondava nizaha ny fahavoazana mahazo ny orinasa Sucoma ny minisiteran’ny Indostria. Ireo teknisianina ireo no manadihady sy manao ny tombana rehetra tamin’ny nahazo io orinasa mpamokatra siramamy tantanan’ny mpandraharaha sinoa io. Nambaran’ny minisitry ny Indostria, Rafidimanana Narson, fa tsy maintsy jerena ny hamelomana indray ity orinasa ity sy ny voly fary miaraka aminy. Aorian’ny fanadihadiana vitan’ireo teknisianina ireo, hatolotra ny Praiminisitra ny tatitra rehetra, hijerena vahaolana hamelomana indray ny orinasa Sucoma. “Atao izany mba hiadiana amin’ny tsy fananan’asa sy hisorohana tsy hiverenan’ny trangan-javatra toy ireny intsony”, hoy ny minisitra.

Momba ny orinasa Tiko kosa, izay nisy depiote nampahatsiahy ny Praiminisitra ny tokony hamelomana azy indray, nilaza ny minisitra Rafidimanana Narson, fa horaisina izay tolo-kevitra rehetra momba izany ary hiaraha-midinika eo anivon’ny governemanta. Araka izany, mbola tsy hita soritra mihitsy aloha hatramin’izao ny hamerenana indray ny orinasa Tiko.

R.Mathieu

Cet article Indostria : hojerena akaiky ny momba ny Sucoma est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70313

Trending Articles