
Goavana ny zava-bitan-dRaMika teo amin’ny tontolon’ny zavakanto sy kolontsaina. Nahitana izany avokoa ireo sehatra rehetra nisy azy toy ny fikambanana, toeram-piasana, sns.
Notanterahina, omaly, tetsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely ny fanaovam-beloma farany sy famonosan-damba ny nofomangatsinkan-dRaMika. Fotoana nanambaran’ny tale jeneralin’ny foibe momba ny teny eo anivon’ny Akademia malagasy, Ratsimandrava Juliette fa « hampitondraina ny anaran-dRaMika (Ratovoherinirina Michel) ny efitrano lehibe misy ny foiben’ny Havatsa-Upem sy ny foiben’ny Tantsary ao amin’ny Tahala Rarihasina Analakely, rihana voalohany. Ho an’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny asa tanana, « hifandinika izay tokony hatao izahay ho fahatsiarovana ity mpanakanto nahavita be ho an’ny zavakanto malagasy ity », hoy ny sekretera jeneraly, omaly.
Notsiahivin’ireo nandaha-teny rehetra teny an-toerana ny fahatsoran-dRaMika nanoloana ny mpiara-belona taminy. Nampianatra sy nampita fahalalana na tsy nisy aza ny tambiny. Tsy mba nanosi-bohontanana ireo nila fanampiana taminy, tamin’ny alalan’ny talentany RaMika. Samy nahatsiaro ilay « Ok, d’accord ! », fiteny fampiasany rehefa miresaka aman’olona, ireo rehetra tonga teny amin’ny Tahala Rarihasina Analakely. Ireo rehetra ireo, endriky ny fahatsorana avokoa. Nanamafy izany ny tononkalo nosoratan-dRahaingoson Henri izay novakin’i Hemerson Andrianetrazafy nandritra ity fotoana nanaovam-beloma farany an-dRaMika ity.
Noredonin’ireo mpanakanto tonga teny an-toerana ilay hira « Raha hifandao », nandritra ny fiaingan’ny fiara nitondra ny razana hihazo ny Ekar Fo Masin’i Jesoa Tsaramasay.
HaRy Razafindrakoto