
Ramaroson avy any Soanierana. Izany tarika izany indray no nandrombaka ny loka goavana, vola mitentina 1 tapitrisa Ariary, avy amin’ny Ofisim-paritry ny fizahantany eto Analamanga (Ortana), tamin’ny fifaninanana « Hiragasy makotrokotroka ». Notanterahina ny alahady teo, teny amin’ny Kianjan’Andohalo, ny famaranana tamin’ity hetsika fifaninanana ity.
Raha tsiahivina, ry Ratovoson, avy any Ampahimanga, no nifampitana tamin-dry Ramaroson. Tsy nody maina ny laharana faharoa fa notolorana fankasitrahana mitentina efatra hetsy ariary. Nandray anjara tamin’ny fitsarana ny adin-kiragasy koa ny mpijery, tamin’ny alalan’ny tehaka. Tsy tamin’io famaranana io ihany fa hatramin’ny niantombohan’ny hetsika mihitsy izany.
Nahatratra 20 ny tarika mpihiragasy nandray anjara tamin’ity « Hiragasy makotrokotroka 2015 » ity. Naharitra kokoa ny fotoana nanatanterahana ny fifanintsanana noho izany fahamaroan’ny mpifaninana izany.
Azo lazaina ho efa tafiditra ao anatin’ireo hetsika ara-kolontsaina goavana fanao isan-taona, enti-misarika mpizahatany hitsidika an’Analamanga, ny « Hiragasy makotrokotroka ». Mahavelom-bolo ny Ortana, mpikarakara, ny fahombiazan’ny hetsika, isan-taona : ny fahamaroan’ny mpijery adin-kiragasy, isaky ny alahady.
Landy R.