
Nampahafantarina omaly teny Ivato ny politika nasionalin’ny asa sy ny fampiofanana arakasa izay hotanterahina ao anatin’ny efa-taona (2015-2019) eto Madagasikara. Nisongadina tamin’izany ny tetikasan’ny governemanta izay hanangana foibe fampiofanana arakasa manerana ny faritra 22.
Mitentina 186 miliara Ar isaky ny faritra ny vola natokana ho amin’izany raha ny nambaran’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ravelonarivo Jean. Hatsaraina koa ny sekoly teknika izay tranainy.
Miara-miasa amin’ny orinasa sy ny mpiara-miombon’antoka ny fanjakana amin’ny fanatanterahana izany. Tanjona ny hanana tanora mahaleo tena eo amin’ny sehatry ny asa mba tsy ho vesatry ny ankohonana sy ny fiarahamonina.
Isan-taona, maherin’ny 300.000 ireo tanora tonga eo amin’ny sehatry ny asa ka tokony hisy asa vonona hatrany ho azy ireo. Ny zava-misy anefa, tsy ampy ny tolotra ho amin’izany filana izany.
“Mamaly ny filan’ny firenena sy mitondra amin’ny fampiroboroboana ny asa hisian’ny fampandrosoana maharitra eto Madagasikara ny politika narafitra izay hotanterahina mandritra ny efa-taona”, hoy kosa ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fampiofanana teknika sy ny fampananan’asa, Ramantsoa Benjamina .
Tanjona sivy no napetraka tamin’izany ka mifototra tanteraka amin’ny tolotra sy tohana ho an’ny tanora. Eo koa ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny orinasa hampitonbo ny tolotra arakasa hahafahana mandray tanora betsaka.
Fa anisan’ny tena zava-dehibe ny hampaleo tena ny tanora amin’ny sehatry ny asa ka hahafahany mamorona asa ho an’ny tenany ary hiitatra ho an’ny hafa.
Tatiana A