Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70753

Basikety : ekipa N1A enina nilatsaka ho eo amin’ny N1B

$
0
0

Tontosa soa aman-tsara ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, sokajy N1A lahy sy vavy, fihodinana voalohany sy faharoa, tamin’ity taom-pilalaovana 2015 ity. Voahosotra ho tompondaka tamin’izany ny Sebam avy amin’ny ligin’i Boeny, teo amin’ny sokajy lehilahy sy vehivavy.

Nivoaka taorian’iny fihodinana faharoa iny kosa ny filaharana nasionaly ho an’ireo ekipa 24 (12 lahy sy 12 vavy). Raha ny lalàna mifehy ny basikety eto Madagasikara kosa indray, ireo ekipa mitana ny laharana manomboka eo amin’ny faha-10 kosa no milatsaka ho eo amin’ny sokajy N1B. Araka izany, ekipa enina (telo lahy, telo vavy) no nianjera ho amin’io sokajy diviziona faharoa io. Teo amin’ny vehivavy, nidina ho N1B ny Asuma sy ny Voromahery ary ny DCA raha ny Globe Trotters sy ny SOE ary ny Challenger kosa ny teo amin’ny lehilahy.

Ankoatra izay, miakatra misolo ny toeran’ireo ekipa nilatsaka ireo kosa ireo ekipa telo voalohany eo amin’ny N1B lahy sy vavy.

Etsy andaniny, ankoatra ny maha tompondaka ny Sebam eo amin’ny sokajy lehilahy sy vehivavy, mbola nahazo amboara efatra ireo mpilalaony, ny alahady teo.

M.N.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70753

Trending Articles