
Mitondra fanavaozana ny Vivo energy Madagascar, mitantana ireo toby fivarotan-tsolika Shell. Ny atao amin’izany, fanaraha-maso ny kalitaon’ny solika amin’ny alalan’ny fandefasana “fiara laboratoara” iray an’ny SGS manao fitsirihana. Tanjona ny fiarovana ny mpanjifa amin’ny fitiliana izay solika vidiny ataon’ny SGS (Société Générale de Surveillance), orinasa manana ny toerany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena momba ny fanaraha-maso, amin’ny fanaovana fanadihadiana sy manamarina ny karazana akora amidy amin’ny mpanjifa. Fanao ny fanaraha-maso toy izany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, hanomezana antoka ny mpanjifa rehetra, mba tsy hisy fiantraikany amin’izay akora ampiasaina. Betsaka ny mety ho fahavoazana amin’ny orinasa na olon-tsotra mampiasa solika, raha misy tsy mifanaraka amin’ny kalitaony.
“Koa tsy maintsy hamafisina ny fanaraha-maso rehetra, amin’ny asa ataon’io fiara laboratoara io”, hoy ny tale jeneralin’ny Vivo energy Madagascar, Pramoth Domun. Vao miala any amin’ny toby lehibe ny solika, efa misy ny fanaraha-maso atao aminy hatrany amin’ireo toby fivarotan-tsolika Shell. Hakana santionany, jerena avokoa ny gazoala, solika fandrehitra, lasantsy sao misy tsy mifanaraka ara-tsiantifika. Misy fiantraikany eo amin’ny tontolo iainana ny faharatsian’ireny solika ireny raha toa tsy ara-dalàna ny kalitaony. Manomboka amin’ny fahasalaman’ny mponina izany sy any amin’ireo fitaovana fampiasa mandeha amin’ny solika, tontolo iainana amin’ny ankapobeny. Firenena maro aty Afrika no hiasan’io orinasa io, manome asa 2.100, ankoatra ireo asa tsy mivantana.
R.Mathieu