Niakatra 6 % ny fandaniana solika eto Madagasikara tamin’ny volana septambra teo, araka ny fanadihadiana nataon’ny OMH (Office malgache des hydrocarbures). Tena nahitana fanjifana be indrindra ny gazoala, indrindra ny fanjifana io solika io ataon’ny Jirama. Raha miainga avy amin’io tarehimarika navoakan’ny OMH io, tsy tokony hisy izany fahatapahan-jiro izany any amin’ny Jirama. Na raha misy aza, tsy tokony haharitra lava be. Raha ny salanisa navoakan’ny OMH, nitombo 1 % ny fanjifana rehetra raha oharina tamin’ny taona 2014. Tsy sakana amin’ny fanjifana mihitsy ny fisondrotry ny vidin’ireo karazan-tsolika ireo.
Etsy andaniny, mihena kosa ny fanjifana solika mavesatra na FO (Fuel) ary mitohy ihany izay fidinan’ny fanjifana FO izay. Samy manjifa ireo karazana solika roa ireo daholo ny Jirama. Na mitombo isa aza ny fiara sy milina any amin’ireo orinasa ampiasana gazoala, mifaninana amin’ireo ny Jirama. Ireo akora hafa indray, miankina amin’ny tsena ihany. Ny Jet, ohatra, izay solika ho an’ny fiaramanidina, nihena betsaka ny fanjifana azy eto an-toerana, noho ny olana isan-karazany momba ny fitaterana an’habakabaka, indrindra ny mahakasika ny Air Madagascar.
R.Mathieu