Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70885

Delestazy, asan-dahalo, mpamatsy vola, sosialim-bahoaka… : nitsikera sy nanafosafo Rakotomamonjy Jean-Max

$
0
0

 Nivoitra tamin’ny lahatenin’ny filohan’ny Antenimiera, Rakotomamonjy Jean-Max omaly teny Tsimbazaza ireo teboka maromaro mahabe resaka sy manahirana ny firenena, amin’izao fotoana izao. « Iaraha-mahalala ny fiainana amin’izao fotoana izao. Eo ny fampidirana ny mpianatra, ny fiakaran’ny vidim-piainana, ny asan-jiolahy, ny aina nafoy sy ny faharavam-pananana… Ao koa anefa ireo miezaka ny handrava efa… », hoy izy nanokatra ny fivoriana tsy ara-potoana.

         Tsy nohadinoiny koa anefa ny tokony hitsikerana ny tsy mety amin’ny fitantanana ny firenena  ka nilazany fa adidy ho an’ny firenena izany. « Ampirisihina aza ho fanatsarana ao anatin’ny fitiavan-tanindrazana », hoy ihany izy.

Manana ny zo tsy azo anenjehana azy ny depiote

Niaro mafy ny depioteny voatohintohina momba ny resaka asan-dahalo Rakotomamonjy Jean Max avy eo, amin’ny fananan’izy ireo ny zo tsy azo enjehina. “Entanina ny fahefana mpanantanteraka hanaja ny tany tan-dalàna… Afaka manao fitanana an-tsoratra eny amin’ny birao maharitra momba ny depiote iray isika… », hoy izy, narahin’ny tehaka mirefodrefotr’ireo depiote.

         Niaiky ny tenany fa be loatra ny ran’ny Malagasy latsaka amin’ny hetsika « Fahalemana » ka nilazany fa tokony hohajaina ny lalàna sy ny zon’olombelona. Nampifanarahany izany ny tolokevitry ny Pnud ny amin’ny hampanatonana ny vahoaka any atsimo ny fampandrosoana sy ny fahefana ary ny fotodrafitrasa. « Miangavy ny fanohanana avy aminareo izahay… Fa eo  koa ny paikady miainga any ifotony », hoy izy.

        Momba ireo mpamatsy vola kosa, nambarany fa tokony hivadika ho vola ireo resabe sy fampanantenana rehetra nataon’izy ireo.

100 andro miantraika any amin’ny vahoaka

 

Eo amin’ny delestazy, nohazoniny amin’ny teniny ny minisitry ny Angovo ka nampahatsiahivany fa ho foana amin’ny faran’ny volana oktobra ny eto Antananarivo. “Manantena isika fa hampihatra ny 100 andro izy ireo ka hisy vokany amin’ny vahoaka izany”, hoy izy.

         Eo amin’ny politika indray, notsiahiviny ny fihaonana teo amin-dRajaonarimampianina sy ny depiote momba ny “Fifanarahana mitaky andraikitra” ary ny antontan-kevitra ifampatsiahivana andraikitra (memorandum). “Ilaina ny fitoniana hiatrehana am-pitoniana ny fiainam-bahoaka. Misy ny fifankahazoana ary mahavelom-panantenana ny fihaonana”, hoy ihany izy.

         Nambarany fa hiompana amin’ny lahadinika tokana, handinihana sy handaniana ny volavolan-dalàna, hananganana ny Ceni izao fivoriana tsy ara-potoana izao ka niantsoany ireo depiote haneho hevitra ao anaty fifanajana. .

Synèse R.

 


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70885

Latest Images

Trending Articles