Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70808

Toamasina : samy hafa ny isan’ny andramena niainga sy ny tonga

$
0
0

Tsy mazava ny tena isa marina omena ny mpanara-baovao mikasika ireo andramena nogiazina avy tao Rantabe ka nafindran-toerana eto Toamasina, nentin’ny sambo Dongazafy II, ny 22 septambra lasa teo. Raha ny voalaza tao anatin’ny taratasy tany am-piaingana, voasoratra fa 315 ny isan’ireo andramena niainga tany Rantabe.

Rehefa natao ny fampidinana avy tao anaty sambo, 317 ny isan’ireo andramena. Noraiketina tao anatin’ny tatitra an-tsoratra ireo tarehimarika tsy mitovy ireo, ary nomarihina manokana fa nihoatra roa (2).

Niova koa ny toerana nametrahana azy

Manampy izany, tsy mifanaraka toy ny voasoratra anatin’ny taratasy niaingan’ny hazo avy any Maroansetra sy ny tonga teto Toamasina koa ny toerana nametrahana ireo andramena. Raha tokony ao amin’ny tobin’ny zandary, toy ireo nogiazana avy any Fenoarivo Atsinanana, fotoana vitsy lasa izay, napetraka any amin’ny tobin’ny Jenia miaramila Barikadimy ireto avy any Rantabe ireto. Misy tahirina andramena nogiazana simba am-pitoerana sy mihena fotsiny ao amin’ity toby miaramila ity.

Sajo


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70808

Latest Images

Trending Articles