
Mandeha ny fanarenana ireo tetezana any amin’ny lalam-pirenena faha-44 sy RN-35. Anisan’ny nahasimba azy ireny ny lanjan’ny entana entin’ny kamiao mavesatra loatra.
2 tapitrisa euros! Io ny tetibola novatsin’ny Vondrona eoropeanina (UE) hanarenana ny tetezana any amin’ny lalam-pirenena RN-44 (Ambatondrazaka- Moramanga), tamin’ny 4 tapitrisa euros, nangatahin’ny fanjakana hanamboarana ny tetezana sy ny lalana. Nambaran’ny minisitry ny Asa vaventy, Ratsiraka Roland, fa azo ampiasana io 2 tapitrisa euros io ny fanarenana ny tetezana, ka ampy tsara. Voakasik’izany ny tetezana fito any amin’ny RN-44, ary hanomboka amin’ny volana septambra ny asa.
Manampy izany, anisan’ny tetezana simban’ny orambe farany teo ny tetezana (PK 12) any amin’ny RN-35 (Miandrivazo-Morondava). Simba vokatry ny kamiao nianjera tany amin’ny renirano kosa ny tetezana PK-99 any amin’ny RN-44. Nilaza ny minisitra fa efa nanomboka avokoa ny fanarenana ireo fotodrafitrasa roa ireo.
Misy mihoatra ny 40 taonina
Ho an’ny RN-44, anisan’ny tena manimba ny tetezana ny entana mavesatra loatra entin’ny kamiao. Maro ny fiarabe mivezivezy amin’iny lalana iny, indrindra ny mpitatitra harena an-kibon’ny tany. Tsy tokony hihoatra ny 25 taonina ny lanjan’ny kamiao miaraka amin’ny entana, fetra farany zakan’ny tetezana eto amintsika. Misy anefa ny mihoatra ny 40 taonina.
Anisan’ny tetezana amboarina mahazaka io lanja io ny tetezan’i Betsiboka, vao arenina ankehitriny.
Njaka Andriantefiarinesy