Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70605

Basikety – Fiofanana : mpitsara sivy nahazo diplaoma “Young coach I”

$
0
0
ViviLnk

Mpitsara sivy tamin’ny 11 nanaraka ilay fiofanana “Young coach I”, eo amin’ny taranja basikety,  tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana no nahazo diplaoma. Izany hoe, tsy afaka tamin’ny fanadinana natao ny roa amin’izy ireo.

Raha ny fampitam-baovao, fiofanana avy amin’ny federasiona iraisam-pirenena (Fiba) ity azontsika notanterahina tany Toliara ity ka nitarika izany tany an-toerana ilay manampahaizan’ny Fiba Afrique, Razafiarivony Angelo.

Nifototra tamin’ny teknika hahafahan’ireo mpanazatra mampita sy mampianatra ireo mpilalao tarihiny anaty klioba ny fiofanana tamin’izany. Narahina fampiharana ambony kianja ihany koa iny hetsika tany Toliara iny.

Marihina fa tafiditra indrindra amin’ny politikan’ny federasiona iraisam-pirenena sy ireo federasiona nasionaly amin’ny fampandrosoana sy fampiroboroboana ny taranja basikety ny fampiofanana mpanazatra. Araka izany, tafakatra hiatrika ny fiofanana eo amin’ny “Young coach II” ireo mpanazatra sivy vao nahazo diplaoma ireo amin’ny taom-pilalaovana 2016.

Andrasana kosa ny fanomezana fiofanana ireo faritra hafa izay misy ligy eo amin’ny tontolon’ny basikety.

Miary Narindra


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70605

Trending Articles