Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70582

Lomano : hanome fampianarana faobe ny klioba Cosfa

$
0
0
lomano2108

Toy ny mahazatra sy fanaony isan-taona, hiroso amin’ilay hetsika fampianarana lomano faobe ny klioba Cosfa/Natation. Araka izany, fampianarana lomano ranofotsiny isan’andro, manomboka ny 5 septambra izao hatramin’ny 4 oktobra, etsy amin’ny dobo filomanosana Betongolo. Ireo mpanazatra sy “maître-nageurs” eny an-toerana kosa nanome fampianarana amin’izany.

Nambaran’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Cosfa/Natation fa natao ho an’ireo olona rehetra tsy an-kanavaka ka liana amin’ny taranja lomano ny hetsika. Hasain’izy ireo avokoa na ankizy na lehibe.

Tanjon-dry zareo kosa ny ho fampiroboroboana ny taranja eto Madagasikara ny antom-pisan’ity fampianarana faobe ity. Eo ihany koa ny fandraisana anjaran’izy ireo amin’ny fisorohana ny loza an-drano. Manaraka izany ny fanomezana torolalana amin’ny resaka ara-pahasalamana, ny fitazonana ny toe-batana sy ny tanjaka ara-batana, sns.

Ankoatra izay, ireo mpandray anjara tsirairay kosa misafidy ny ora hahafahany manaraka ny fampianarana isan’andro.

M.N.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70582

Trending Articles