Tsy mitsaha-mitombo ny isan’ireo olona misoloky tato ho ato eto Mahajanga. Voasambotra tamin’ny alarobia lasa teo rehefa avy nisoloky olona roa ny lehilahy iray fantatra amin’ny anarana hoe Angelo, 36 taona.
Ireo olona ireo dia nahazoany volabe. 350.000 ariary ny iray ary 3.000.000 ariary kosa ny faharoa.
Mitovy avokoa ny famitahany ireo olona akany vola. Milaza izy fa mpitantana orinasa vao hosokafana any Mahajanga. Reseny lahatra ihany koa ny olona solokiany fa efa misy io orinasa io koa any Toamasina. Orinasa mivarotra Bajaj izy io hoy izy ary mitady olona hividy ireo Bajaj ireo ka amidy mora. Hisintonany ny mpividy dia ilazany fa ny vola itondrana ireo Bajaj ireo makaty Mahajanga ihany no aloan’izy ireo ka rehefa tonga eto antoerana vao manome ny vidiny amin’izay. Marihina koa fa entin’ilay mpisoloky miaraka aminy foana ilay “mpividy” voajono hametraka ireo vola ireo any amin’ny banky, nefa tsy miaraka miditra ao anatiny izy ireo fa Angelo irery no mody mametraka ilay vola any. Tonga saina ihany anefa ilay lehilahy nakany vola rehefa tsy noraisin’i Angelo intsony ny antso an-taribia, ary dia nanatona avy hatrany ny polisy sy nametraka fitoriana.
Nosamborina ilay mpisoloky avy eo ary dia teo izy no namosaka fa misy olona hafa efa vosolokiny. Nantsoina ilay lehilahy iray hafa voalaza fa efa nahazoany 3.000.000 ariary. Nony tonga koa ilay lehilahy dia mbola tsy nanampo akory hoe mpisoloky ity olona nivarotra Bajaj taminy raha tsy nazavain’ny polisy azy ny zava-misy. Rehefa vita ny famotorana an’i Angelo dia nohidiana avy hatrany tao amin’ny tranomaizin’ny “commissariat central”. Tsy mbola nisy fifampiraharahana vitan’ny tompom-bola sy ilay mpisoloky hatreto. Hatolotra ny fitsarana ny raharaha ary miandry izay didy avoakan’ny fitsarana. Voalaza fa tsy izy irery ihany no voarohirohy fa mbola misy namany hafa koa, saingy tsy mbola voasambotra izy ireo hatramin’izao.
Tiavina