Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70768

Randrianasolo Nicolas  : “Tsy azo ekena ny korontana”

$
0
0

Nanao antso avo. “Aoka ho tony isika eo am-piandrasana ny voka-pifidianana ofisialy. Tsy handeha amin’ny laoniny ny raharaham-pirenena raha miseho ny korontana. Tsy azo ekena intsony izany. Tsy tokony hisy koa ireo ambonin’ny lalàna na firehana iza na iza…  Tokony hoekena ny voka-pifidianana eo… Isaorana aloha ny vahoaka fa milamina hatreto”, hoy ny depiote  Randrianasolo Nicolas tetsy Antaninarenina, omaly.

Nitondran’ny depiote Cathy vahaolana koa ny momba ny grevy samihafa miseholany izao. “Mangataka ny hanaovana fivoriana tsy ara-potoana izahay mba handinihana ny fanitsiana ny tetibola. Anisan’ ny mahatonga izao tranga rehetra izao ny tsy nahavitana izany ka kenda ny andrimpanjakana, tsy afa-mamaha olana”, hoy ihany izy ireo.

Nanao antso avo amin’ireo depiote namany izy ireo mba hiray feo hanavotra ny firenena aloha, na eo aza ny tsy fitovian-kevitra politika.

Marihina fa samy depiote manohana ny fitondrana avokoa izy ireo, miara-dia amin’ ny HVM.

Synèse R.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70768

Trending Articles