“ …Tsy mahantra olomanga fa mahantra olo-marina ity tany mamintsika ity… Manana olona mahay sy nahita fianarana nefa dia hatramin’izay, mbola gisitra an-daharana…”. Andeha hindramina io tononkiran’Ingahy Henri Ratsimbazafy io hilazana ny zava-misy eto amin’ny firenena. Tena marina tsy misy ivoasana io satria betsaka ihany ireo olomanga efa nijoro teto. Maro ireo avara-pianarana navoakan’ny sekoly malagasy fa aiza ho aiza isika izao? Ireo rehetra izay tafita dia nanempoka any am-pita. Ireo sasany mba nody, mampite-hiantso tody. Ny paosy aloha no nofenoiny, ny antso vonjy tsy nohenoiny. Mba firy tamin’ireo nolazaina fa mpitondra teto moa no mba nijery marina izay hampivoarana sy hampandrosoana ity Madagasikara ity? Sarintsarim-pampandrosoana fotsiny no nataony fa ny paosy tokoa no nofenoiny. Saika niteraka olana hatrany izy rehetra. Ny loza, hatramin’izao izy rehetra mbola mitondra olana ho an’ny firenena na tsy eo amin’ny toerana intsony aza. Sady mbola mitetika ny hiverina eo avokoa. Raha izany mantsy no tanteraka dia efa sady lany olomanga no lany olo-marina indray i Madagasikara.
Mparany