Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70716

Jirama  : tsy mbola tapaka ny jiron’ireo minisitera

$
0
0

Nahoraka eran’ny tanàna, omaly, fa ho tapahin’ny mpiasan’ny Jirama ny jiro amin’ ireo minisitera telo isan’ny mpiahy ny orinasa Jirama: ny minisiteran’ny Tetibola, ny minisiteran’ny Angovo sy ny minisiteran’ny Rano. Tsy tanteraka anefa izany satria mbola misy ny dingana arahina ahafahana manatanteraka izany.

Na izany aza, milaza ny tsy hihemotra amin’ny fanapahan-keviny ireo mpiasan’ny Jirama mitokona. Vokatry ny fanomezana ny orinasa vahiny ny fitantanana ity orinasa malagasy ity ny anton’izao fitokonana izao. Ary na misy aza ny fisarahana eo amin’ireo mpiasa, tsikaritra ho mafy orina kokoa ny an’ireo mpiasa mivondrona anatin’ireo sendikà telo.

Fa isan’ny fangatahan’ny mpanjifa ihany koa anefa, raha hirosoan’ny mpiasan’ny Jirama tokoa ny fanapahana ireo jiro amin’ireo minisitera tsy nahaloa vidin-jiro, ny hanapahana ihany koa ny jiro amin’ ireo mpiasa tsy mandoa jiro sy rano.

Fantatra mantsy fa isan’ny mitarika fatiantoka ho an’ny orinasa ihany koa ny fanomezana jiro sy rano maimaimpoana ireo mpiasa. Misy amin’ ireo mpiasa tsy mandoa izany jiro sy rano izany nefa manome jiro sy rano ho an’ny olon-kafa, tsy miditra any amin’ny orinasa akory ny sarany.

Mihevitra ireo mpanjifa fa hampitombo ny vola miditra ao amin’ity orinasa ity ary hampihena ny fatiantoka sedrainy ny fandoavan’ireo mpiasan’ny Jirama ny saran’izay jiro sy rano laniny.

Haja R.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70716

Trending Articles