Misoko mangina. Izay ny azo hanambarana ny fiverenan’ ny antoko Tiako i Madagasikara (Tim) eo amin’ny sehatra politika. Iny fifidianana tamin’ny 31 jolay iny no tena nahafahana nandrefy ny herin’ireo antoko politika eto amintsika, indrindra fa ny mbola fitiavan’ ireo vahoaka ny mpitarika politika eto amintsika. Ho an’ ny antoko Tim manokana, mazava fa mbola manana ny heriny ny antoko ary mbola ankamamian’ny vahoaka ny filoha nasionaliny izay filoha teo aloha.
Manaporofo izany ny vokatra mbola vonjimaika navoakan’ ny komitim-paritra momba ny fifidianana (Sadir). Raha natambatra mantsy ny vokatra azon’ireo antoko nisongadina nandritra iny fifidianana ben’ ny Tanàna iny tamin’ireo renivohi-paritany enina, mitana ny laharana voalohany ny Tim miaraka amin’ny isam-bato 115.851 / 290.934 manome salan’isa (39.82%). Natambatra ny vato azon’ny Mapar sy ny Freedom ary ny antoko Hiaraka Isika ka eo amin’ny laharana faharoa izy ireo amin’ ny isam-bato 95.380 / 290.934, (32.78%). Any amin’ny laharana fahatelo kosa ny antokon’ny fitondrana manana isam-bato 35.865 / 290.934, (12.33%).
Ireo no fehin’ny voka-pifidianana ho an’Antananarivo Renivohitra, Mahajanga I, Fianarantsoa I, Antsiranana I, Toamasina I ary Toliara I.
Nanangona: Nadia