Mijery lavitra kokoa ? Niverimberina tamin’ny valan-dresaka ho an’ ny mpanao gazety, nataon’ny vovonana Miaraka amin’ ny prezida Andry Rajoelina (Mapar) tetsy Andrainarivo, omaly ny voka-pifidianana sy ny manodidina izany.
Vondrona politika lehibe eto amin’ny firenena, miainga amin’iny fifidianana iny sy ny fifidianana teo aloha : filoham-pirenena sy depiote ny Mapar, araka ny fanambarana novakin’ny depiote sady kandidà ben’ny Tanàna, Razanamahasoa Christine. “Porofon’izany ny nahazoana ireo renivohi-paritany efatra ; ahitana an’i Toamasina, Antsiranana, Mahajanga ary Fianarantsoa… Nametraka fitokisana amin’ny Mapar ny vahoaka”, hoy izy. Nohamafisin’ireo nandray fitenenana izany ka nilazana fa efa fanomanana ny hiverenan’ny filohan’ny Tetezamita eo amin’ ny fitondrana ireo vokatra intelo miantoana azo ireo.
Ho an’ny faritanin’Antananarivo anefa, zara raha nahazo ben’ny tanàna mihoatra ny dimy amin’ireo kaominina 313 ny Mapar. Mbola any aorian’ny Tim sy ny tsy miankina izy ireo raha ny filaharana vojimaika. “Manamafy ny fitokisan’ny vahoaka anay izany”, hoy ihany anefa ny fanambarana, karazan’ny mankahery tena.
Tokony hitsara ara-drariny ny fitsarana
Momba ny voka-pifidiana kosa, nambaran’izy ireo fa efa efa nametrakany fitoriana ho fiarovana ny safidim-bahoaka ny Mapar ka nitodihan’izy ireo amin’ny tompon’andraikitra isan-tokony. “Miantso ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana (Taf) izahay mba tena hijoro ka hitsara araka ny lalàna, ny rariny sy ny hitsiny, tsy hisian’ny korontana lonilony hamotika ny fiarahamonina eny ifotony”, hoy ihany izy ireo.
Nilaza ho tsy manery ny fitsarana anefa izy ireo raha nanontaniana manoloana izany fanambarana izany. “Ny vahoaka naneho ny safidiny no nahatonga anay ireo hiroso amin’izao dingana izao. Apetrakay eo amin’ny fieritreretan’ny mpitondra sy ny mpitsara izany manoloana ny vahoaka”, hoy ny valin-tenin’ ny mpitondra tenin’ny Mapar, Pierre Houlder.
Nampijoro vavolombelona maromaro ny Mapar
Nohitrikitrih’izy ireo koa fa tsy mbola nisy fifidianana feno hosoka sy hala-bato ary tsy fahatomombanana tahaka izao teto amin’ny firenena tamin’ireo mpitondra nifanesy. Hadinon’ny Mapar ary mbola notsiahivin’ny amiraly tamin’ ity herinandtro ity anefa ny fitsapan-kevi-bahoaka ny lalàmpanorenana nofidina amin’ny kara-pokontany fanamarinam-ponenana ny taona 2010.
Na izany aza, nampijoroana vavolombelona maromaro avy any amin’ny faritra ireo olana samihafa tamin’iny fifidianana ben’ny Tanàna iny. Anisan’izany, ny fivadihan’ny vokatra tao Ambatomanga Manjakandriana, ka naharesy ny vadin’i Rossy, Rahasimanana Josephine amin’ny elanelam-bato telo. Teo koa ny mpifidy efa maty nefa voasonia fa nifidy, toy ny niseho tany amin’ ny kaominina ambanivohitra Amparafaravola.
Tokony ho nihintsana tsy afaka niatrika fifidianana ny HVM
Momba ny voka-pifidianana vonjimaika any Fianarantsoa indray, nahitsy ny fanehoan-kevitry ny kandidà Razanamahasoa Christina fa tokony hihintsana, tsy afaka hiatrika ny fifidianana akory ny kandidàn’ny HVM. “Voalazan’ny lalàna fa tsy afaka mirotsaka ireo mpikamban’ny PDS raha tsy mametra-pialana. Tsy nanao izany anefa izy”, hoy ihany izy. Tsiahivina fa mitarika amin’ny 36% mahery ny HVM raha maherin’ny 35% kosa ny an’ny Mapar ao Fianarantsoa ao, araka ny voka-pifidianana vonjimaika, omaly.
Manoloana izany, andrasana ny ho tohin’izao fanambaran’ny Mapar izao sy ny mety fepetra horaisiny.
Synèse R.