Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70697

Zahamena  : jerem-potsiny ireo mpitrandraka vato

$
0
0

Na dia fantatra aza fa faritra arovana ny tandavan’alan’ Ankeniheny Zahamena dia fantatra fa dia iazakazahan’

ny olona ny mitrandraka vato ao amin’izao fotoana izao. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana, efa nisy ny fidinana ifotony nataon’ny tompon’andraikitra saingy efa hita ho marobe ihany koa ny olona izay tafalatsaka ao amin’ity tandavan’ala harovana ity. Ny mahavariana dia ny fahenoana fa misy olom-panjakana ambony mampirisika io fitrandrahana io ary mamatsy ireo mpitrandraka mihitsy.Vokany, tsy refesimandidy ireo olona tsy manara-dalàna araka izany. Samy mametraka ny rehetra hoe mba misy tompon’andraikitra mahefa ihany ve ao Alaotra ao sa mandeha baranahiny no ny faritra arovana ity no misy manapotika?

Tiavina


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70697