
Azo lazaina fa nandamoka tanteraka ny fikasan’ny roalahy hanafika tokantranona mpivarotra “poulets de chair” ny alin’ny alarobia teo teny Imeritsiatosika.
Tsy vitan’ny voasambotra fotsiny mantsy ry zalahy fa mbola nanoro ilay mpiray tsikombakomba taminy izay tsy iza akory fa ny mpiasa an-trano tao amin’ilay fianakaviana mpandraharaha ihany.
Fa toy izao kosa no nahafahan’ny zandary nanao ny fisamborana. Nisy olon-tsy fantatra nandefa someso (SMS) tamin’izy ireo izay nilaza fa misy roalahy mampiahiahy nandeha taksiborosy niala taty an-drenivohitra hihazo an’Imeritsiatosika ny alarobia tokony ho tamin’ny 7ora sy sasany hariva teo ka tokony ho savaina izany fiara izany.
Inona tokoa fa rehefa nanao ny fisakanana ilay taksiborosy ireo zandary dia indreto izy roalahy mpandeha fa nanao fihetsika kaodikaody be ihany. Rehefa nosavain’ny zandary izy ireo dia nahitana basy poleta vita gasy iray sy balana sevrotina miisa 6, “barre à pince”, “pince coupante” ary mohara.
Nosamborina avy hatrany izy roalahy ka nanaovana famotorana ka tamin’izany ny nahavaky bantsilana tanteraka ny teti-dratsin’izy ireo. Nilaza ihany koa ireo voasambotra fa misy vola mitentina roa tapitrisa ariary tao amin’ny tompon-trano ka nokasain’izy ireo hangalarana tao an-tokantranon’ireto mpivarotra.
Araka ny voalaza ihany koa dia efa voatafika io fianakaviana io ny taona 2013 sy 2014 ary tsy iza ireo nanao izany fa ireto jiolahy voasambotra ireto ihany ary nampian’ilay mpiasa an-trano hatrany tamin’ny fanatanterahina ny asa ratsin’izy ireo saingy izao moa izany vao fantatra. Efa nanao fanafihana ihany koa ry zalahy ireo ny herinandro lasa teo ka tetsy Anosy sy 67 Ha no nanaovany izany.
Tiavina